Sosialy

Aretina homamiadana 1600 isan-taona ireo marary tsaboina eto Madagasikara


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Mihamahazo vahana hatrany ny aretina homamiadana eto amintsika. Ankoatra ireo mahalala fa tratr’ity aretina ity izy dia mbola betsaka ireo tsy mahalala ka anisan’ny maro an’isa amin’izany ny vehivavy.

 

 

Mahatratra 1.600 isan-taona hatreto ireo marary tonga mitsabo tena eny anivon’ireo hopitaly misy eto Madagasikara raha 18.400 isan-taona  vinavina nikajian’ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana azy  na ny OMS.  Ireo tratry ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, ny homamiadan’ny nono, ny homamiadan’ny ra no tena betsaka indrindra izay tsy hanavahana sokajin-taona intsony. Nankalazaina omaly talata 04 febroary ny andro maneran-tany iadiana amin’ny homamiadana. Lohahevitra noraisina y hoe : fantatro ny tenako, ary fantatro ny tokony hataoko na koa ny hoe : handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany aho, lohahevitra noraisina nanomboka tamin’ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021. Tsiahivina moa fa miompana sy mifantoka amin’ny fampiasam-batana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny homamiadana amin’ity taona ity. Anisan’ny fomba iray hahafahana manohitra karazan’aretina maro mantsy ny fampiasam-batana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT