Sosialy

Aretina diabeta Tokony hotiliana isan-taona farafaharatsiny


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Aretina mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny diabeta raha tsy voatsabo.

 

 

Somary misoko mangina izy  eny am-piandohana ka rehefa misy tsy fahatomombanana ny fahasalaman’ny olona iray vao mety hahafantatra izy ireny fa voa. Vitsy rahateo ireo manana fandavan-tena ny hitily ity aretina iray ity, eny fa na dia ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka aza. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Feziny, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Marie Stella eny Analamahitsy anefa dia tokony  hitily ny aretina diabeta ao anatiny hatrany ny olona iray raha vantany vao misy tsy fahatomombanana ny fahasalamany. Hatao fahazarana kosa ilay manao fitiliana isan-taona ho an’ireo tsy dia manana olana loatra, hoy hatrany ny fanazavany hahafahana mitsabo ny aretina dieny mialoha raha toa ka misy izany. Ho an’ny lehilahy manokana dia nomarihiny fa anisan’ny antony miteraka ny aretina diabeta ny fisotroan-toaka, indrindra fa ilay mandray vera kely isaky ny mandeha iny. Ho an’ny vehivavy kosa indray dia notsindriany fa ilay tsy fanaovana fanatanjahantena no tena olana arahin’ny hatavezana vokatry ny fihinanana sakafo tsy voalanjalanja. Miantso ny rehetra tsy hanao antsirambina ny fitiliana ny aretina diabeta ity mpitsabo iray ity izay marihina fa efa hankalaza ny fahafolo taona nikatrohan’ny ivontoerana tantanany  ny ady hatao amin’ny diabeta amin’ity taona 2019 ity. Mahatratra 4 % ny tahan’ireo olona voan’ny diabeta eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT