Sosialy

Aretina azo avy amin’ny Firaisana tsy voaaro Mety mahafaty ary mitarika fahamombana


  • Zoma 13 Septambra 2019

Mitarika any amin’ny fahafatesana sy fahamombana mihitsy raha tsy voatsabo ara-dalàna ny aretina azo avy amin’ny firasaina ara-nofo maro loatra na ny IST

 

 na ny “Infections Sexuellement Transmissibles”, hoy ny fanazavan’ny dokotera C.R. Ho an’ny vehivavy manokana, nilaza izy fa matetika misy “perte” lava ny vehivavy, manampy izany ny tsy midio, ka mitarika fahasimban’ny lalan-jaza. Misy mikraoba natoraly ao amin’ny lalanjazan’ny vehivavy ary io no miady amin’ny loto izay tonga, hoy ny fanazavany.

                                            Fihetseham-po

 Fihetseham-po  ho an’ny vehivavy, dia miteraka “perte”, hoy ny dokotera. Ny “hormone” dia mikaonty be eo amin’ny vehivavy. Rehefa misy loto natoraly tonga, dia miady amin’io mikaroba io.  Efa ela ipetrahana ao koa ilay loto, dia lasa potika ny tranonjaza. Mitarika homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza izany ary miparitaka manerana ny tranonjaza iny loto iny. Rehefa tsy voakarakara na nandalo fitsaboana, dia tsentsina ny tranonjaza.  Misy fiantraikany amin’ny vatana izany ka lasa tsy miteraka. Nambaran’ity mpitsabo ity fa rehefa tsy voatsabo tsara ny loto dia miditra amin’ny fitsaboana “gynécologue” na manatona toeram-pitsaboana manana fitaovana arifomba hitsaboana azy.

                                      Ho an’ny lehilahy

Ho an’ny lehilahy indray, tsentsina ny tatavia ary potika. Manimba ny voa koa ny loto, ka lasa homamiadana ary tsy miteraka. Mety hiafara amin’ny fahafatesana izany, hoy hatrany ity dokotera ity. Mora idiran’ny sida kosa ny loto tsy voaaro. Araka ny fanazavany hatrany, dia tokony ho “ideal” na ny lahy na ny vavy, ary mijanona amin’ny olon-tokana. Ilaina ny mifehy tena. Tokony hisy ny fampianarana momba ny tanora lahy sy vavy sy ny mampiavaka azy ireo, indrindra fa eny anivon’ny fiarahamonina ary tokony hisy fampianarana azy ireny koa eny anivon’ny fiangonana. Tsotra ny fanabeazana,  raha ny nambarany, tsy atao maro ny firaisana amin’ny olona tsy fantatra. Tokony hiova amin’ny fiovantena ary tsy hanaotao foana fa ny aina tsy hananam-piry, hoy izy.

 

Sitraka r.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT