Sosialy

Arabie Saoudite Misy Malagasy miantso vonjy…


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Efa andro vitsivitsy izao no niparitaka ny horonan-tsary nataona vehivavy Malagasy any Arabie Saoudite. Niasa tany amin’ity firenena Arabo ity izy ireo,

 saingy milaza fa efa 5 volana izao no migadra amina toerana manokana tsy afaka mivoaka. Miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny mba ahafahan’izy ireo mody an-tanindrazana. Mangataka izy ireo ny hanokafana ny sidina ahafahana afahana mody an-tanindrazana satria tena mijaly. Tsy nisy niseho moa ny endrik’ireto vehivavy Malagasy ireto, fa nisarona ireny fitafiana mainty fanaon’ny arabo manakona ny any an-tampon-doha ka hatrany an-kitrokely ireny. Miteny Malagasy mazava tsara kosa, izay tsy hihambahambana fa teratany Malagasy tokoa ireto mitaraina ireto. Mbola misy hatrany izany ireo vehivavy Malagasy iharan’ny antsojay any amin’ny tany arabo na efa maro aza ny lasibatra, nisy hatramin’ny famoizana ain’olona. Matetika efa tonga any vao maro ny antso vonjy. Inona no andraikir’ireo “agence” nandefa azy ireny nankany ? Moa tsy efa nisy fandrarana navoaka amin’ny tsy fahafahana mandefa mpiasa any amin’ireo tany sokajiana ho tsy manaja zon’olombelona ve? Mila mandinika tsarairay ary ekena fa ny fitadiavana mahazaka maniraka tokoa, saingy raha samy hijaly sy ho sahirana ihany aleo mijaly an-tanindrazana akaiky ny havana aman-tsakaiza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT