Sosialy

APIPA sy ny kaominina Hanadio ireo lakan-drano tsy nisy mpikitika hatramin’izay


  • Talata 15 Janoary 2019

Nanatanteraka fivoriana handinihana ireo lamin’asa mahakasika ny fanadiovana goavana ireo lakan-drano eto amin’ny faritra iadidiany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly notronin’ireo rantsamangaika maro isan-tsokajiny.

 

 

  Anisan’ny nanatrika izany ny APIPA ka tapaky ny roa tonta fa  hatomboka anio talata 15 janoary 2019  ny asa fanadiovana ireo lakan-drano tsy nisy mpanadio hatramin’izao. Tafiditra ao ny etsy  amin’ny Petite Vitesse izay mirefy 300-400 metatra eo ho eo, ny Grand chainal ary ny « chambre à sable » ao amin’ny Boriborintany Voalohany. Hotohizana avy hatrany eny  amin’ny faritra Ambodin’Isotry, Antetezana Afovoany ny asa aorian’izany hiarahana amin’ireo ekipa mpanatanteraka. Fa tsy ho diso anjara amin’izany ihany koa ny eny Andranomanalina I sy Afovoany hiampita  eny Soavinandriana, Ampandrana ary Besarety. Ankoatra izay ihany koa dia hisy ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo sefo distrika sy ireo orinasa manerana ny Boriborintany mba hanome « moto-pompe » sy solika mba hahafahana mitroka ireo rano mihandrona eny amin’ny faritra maromaro toy ny eny Ankorondrano Andranomahery, Ampefiloha Ambodirano, Ankazomanga ary Tsaramasay. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny GRC (Gestion des Risques et Catastrophes)n’ny Kaominina moa dia  azo heverina ny hidinan’ny haavon’ny rano eto an-drenivohitra rehefa tapitra voadio ireo lakan-drano ireo. Ankoatra izay hoy izy dia entanina ihany koa ny vahoaka mba samy hitandro sy hikajy ny fahadiovana tsy hanary ny fako any anaty lakan-drano, hahay hikolokolo ireo fotodrafitrasa ary tsy hanorina eny amin’ireo faritra tsy azo anorenana. Nilaza ihany koa ity farany fa maro ireo voka-dratsy ateraky ny fiakaran’ny rano, noho izany dia entanina ny tsirairay mba handray ny andraikitra tandrify azy avy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT