Sosialy

Antson'ny tantsambo Sokafy malalaka ny jono


  • Zoma 16 Aprily 2021

Nitokona tao amin’ny Seranantsambon’I Mahajanga ny sendikan'ny Tantsambo omaly alalamisy 15 aprily.

Miantso ny filoha Andry Rajoelina izy ireo mba hamela malalaka azy hanao ny asany, indrindra ny mahakasika ny fanokafana ny sehatry ny fanjonoana. Efa ny volana martsa moa no voalaza fa tokony hisokatra ny jono. Noana izahay, 5 volana tsy niasa, hoy izy ireo. Nilanja sora-baventy tao amin’ny faritry ny seranantsambo. “Matoa izahay mijoro, dia efa resy tanteraka. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hanokafana haingana ny jono. Mba mamelom-bady aman-janaka izahay, sahirana,… Tsy avy ao Mahajanga ihany fa misy avy any Toamasina, Mahajanga, Diego,…. An’arivony no lasibatra. Mangataka karama ho an’ny sambo mpanjono ihany koa. Nilaza hiroso amin’ny dingana mafy kokoa izy ireo rehefa minia manao bemarenina ny Fitondrana. Ny orinasa kely efatra sisa nisy latsaka an-davaka ihany koa, hoy ny fanazavana. Ny hiafaranay angamba tsy fitakiana hiasa intsony no ataonay, fa ny hialanao hidiran’ny hafa, hoy ireo ny tenin’ireo Tantsambo miantefa amin’ny Filoham-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT