Sosialy

Antsiranana Ifampitadiavana ny rano fisotro madio


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Misedra olana amin’ny famatsiana rano fisotro madio ny mponin’Antsiranana nanomboka afak’omaly.

 

 

 

Noho ny haratsian’ny toetrandro nateraky  ny ora-mikija  no nahatonga izany. Nisy vokatr’izany  ny  fantsona lehibe roa lasan’ny rano ary nisy ihany koa ireo nilatsahan’ny vato ka simba ary  mitaky fanamboarana.Noho ny fitohizan’ny ora-mikija anefa dia mbola tsy afaka miroso amin’ny asa fanamboarana ireo teknisiana. Eo am-piandrasana izany dia nandray fepetra maro  ny mpitantana ny orinasa JIRAMA, tohanan’ny orinasa Star. Ny mponina akaikin’ny tobim-panadiovan-dranon’ny JIRAMA PK7 dia afaka maka rano mivantana eo amin’io toby io.Ireo  mponina any  amin’ny fokontany lavitry ny PK 7 kosa dia hozaraina rano amin’ny alalan’ny "camions citerne". Nanomboka omaly no nanaovana izany asa fanampiana ho an’ny isan-tokantrano izany nanomboka tamin’ny 05 ora hariva. Hifandimby maraina sy hariva moa izany ho an’ny Fokontany maro any an-toerana miankina amin’ny fandaminana. Miala tsiny amin’ny mponina  noho izany ny JIRAMA noho ny fanelingelenana.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT