Sosialy

Antsirabe Nahazo tohana ny mpanakanto sy ny mpanao gazety


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Tonga tao Antsirabe nanatitra fitaovana hiadiana amin’ny fihanaky ny Covid 19 ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo, sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, ny sabotsy teo.

 

 Fitaovana ahitana “Tunnel désinfectant” fitaovana iray ahafahana manala ny mikraoba amin’ny vatana iray manontolo. Hapetrahana ao amin’ny CHRR na Hopitaly Atsimo io fitaovana io. Miampy ny fiara fitondrana marary sy « éxtracteur d’oxygène » miisa 10, kojakoja ary fanafody samihafa, ireo fitaovana azon’Antsirabe. Nandritra io fotoana io ihany koa no nizarana tohana ho an’ireo mpanakanto sy ny mpanao gazety, hiatrehana ny fihibohana anatin’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Fonosana ahitana: Vary, CVO, siramamy, menaka, voamaina, ary aron-tava no nomena tamin’izany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT