Sosialy

Antsirabe Misesisesy ny hain-trano


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Sesilany ny hain-trano ao Antsirabe renivohitra ao. Vao tapa-bolana lasa izay dia nitrangana hain-trano goavana tao Mahazoarivo Avaratra ka nahamaizana tranobe iray nisy fianakaviana valo tonta.



Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 26 aogositra 2018 dia nitrangana hain-trano indray koa tao amin’ny fokontany Mahazoarivo avaratra ihany ka tranohazo nisy tokantrano 5 indray no may ny maraina tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany tany ho any, izay mpivarotra kafe sy mofo ary mpivarotra saribao sy mpanao lasopy ireny no tra-doza tamin’izany. Olona manodidina ny 40 no traboina sy tsy manan-kialofana. Kisoa niisa 5 no main’ny afo ary tsy nisy noraisina ny tao an-trano na iray aza. Nambaran’Atoa Razafinarivo Remi, anisan’ireo niharam-boina fa avy tany ivelan’ny trano no niandohan’ny afo, izay notombanan’izy ireo fa nataon’olona avy any ivelany ka sahirana avokoa ny tao an-trano vao tafavoaka ny trano. Nanamarina izany moa ny tovolahy iray natory tao anaty fiara, izay nahita ny afo nidedaka be avy taty ivelany vao taitra nanaitra ny tao anatin’ny trano ary nanakisaka ny fiara haingana.  Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina moa vao tonga ny mpamonjy voina an’ny orinasa Cotona ka norarafan’ny olona tsy fantatra ny tora-bato, izay nahatezitra ny mpitandro ny filaminana. Marihina moa fa olana eto Antsirabe ny tsy fisian’ny fiara mpamonjy voina, kanefa dia feno tranohazo eto Antsirabe. Misy ihany ireo fitaovana famonjena voina an’ny BNGRC ao amin’ny toeram-ponenan’ny Prefen’Antsirabe saingy mbola alaina rony sy tsy miasa izany hatramin’izao fa angamba mbola hiandrasana amin’ny fampielezan-kevitra ve ?

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT