Sosialy

Antsirabe Maty ireo roalahy latsaka tanaty lava-drano


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Roalahy no indray latsaka tao anaty lava-drano ny faran’ny herinandro teo tao Ambohidravaka, Antsirabe I ary samy namoy ny ainy avokoa.

 

 

 

 Lava-drano vao namboarina izy ity ary tany amin’ny 28 metatra vao nahazo rano hoy ny vaovao. Mbola nodiovina indray izy taorian’izany ka tonga hatrany amin’ny 30 metatra. Nandeha tsara ny asa nandritra ny fampidinana ireo bizo 7. Teo amin'ny fampidinana ny bizo fahavalo farany vao nitranga ny loza. Nilaza mantsy ilay mpandavaka lavadrano fa aleo izy hitaingina hiaraka hidina amin’ ilay bizo farany, raha toa ka nampidinina tsy notaingenana ireo bizo fito teo aloha. Tsy nahazaka ilay bizo niaraka tamin'ilay mpandavaka lava-drano anefa ny kofehy nampidinana azy ireo ka dia tapaka tampoka, ka latsaka tany amin'ny 30 metatra ambany tany ilay bizo sy ilay mpandavaka lava-drano, ary dia voasintona noho izay ihany koa ilay ramose tety ambony izay talen-tsekoly iray ao Antsirabe hoy hatrany ny vaovao. Nisy olon-kafa niara-nifanampy tamin'izy ireo nametaka ireo bizo ireo, saingy izy roalahy ireto no izao latsaka tany anaty lava-drano izao raha toa ka efa voasintona ary tavela teo am-bavan'ilay lava-drano ireo olona roa hafa. Tonga nitondra fitaovana tamin’ny fakana azy roalahy ireto ny Ben'ny tanànan'Antsirabe Dr Unoh, niaraka tamin’ ireo fitaovana sy ireo mpiasan'ny kaominina ary ireo fokonolona. Tamin’ny 10ora alina sy 23 minitra tamin’ny Sabotsy teo vao azo ny olona faha roa, izay vatana mangatsiaka ihany koa sisa. Taorian'ny fahazoana ny razana dia nototofana avy hatrany ilay lava-drano.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT