Sosialy

Antoko politika madio “Ampodio ireo Malagasy any Okrainina”


  • Talata 01 Martsa 2022

Manoloana ny ady mitranga any Okrainina, Rosia sy ny vondrona OTAN, dia mitondra ireto fanehoan-kevitra ireto izahay Antoko Politika Madio na APM,

 hoy izy ireo omaly. Manameloka tanteraka ny herisetra sy fiantsiana avo lenta mahatonga ny ady sy herisetra maro. Manentana hatrany ny famerenana ny ady hevitra eo ambony latabatra. Tsikaritra hatramin’izay ka hatramin’izao fa tsy nahasakana ady mitam-piadiana ary mbola tsy mahasakana velively ny fisian’ny ady hatramin’izao ny rafitra ONU. Samy tokony handray lesona ireo firenena voakasika fa izao no vokany rehefa tsy hajaina ny fifanarahana natao tany aloha toy ny « Accord de Minsk ». Izahay APM dia manentana ny vahoaka Malagasy mba tsy hionona amin’ny feon-dakolosy tokana fa hijery sy hamakafaka karazana loharanom-baovao maro lafy maneran-tany ka tsy hionona amin’ny vaovao miendrika fandemen-tsaina ho an’ny fitondrana Malagasy. Ny fanjakana Malagasy no miaro ny olompireneny na aiza na aiza misy azy. Manainga ny fitondram-panjakana hampody an-tanindrazana ireo teratany Malagasy monina sy mila ravinahitra any Okrainina. Tsara miomana dieny izao ny fitondrana amin’ny fiantraikany ratsy ara-toekarena aterak’izao ady izao. Manentana anareo sahady hitady vahaolana dieny izao ho fitsinjovana ny vahoaka. Mikasika ny taratasy azontsika avy any amin’ny vondrona Eoropeanina mikasika ity ady ity dia mangataka ny fitondrana Malagasy mba tsy hijabaka amin’izao raharaha izao ary hilaza amin’izy ireo mba tsy hanery antsika hiandany amin’ny atsy na ny aroa. Fotoana izao handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanavaozana sy fanamafisana orina ny diplomasia. Izany ezaka izany dia mirona mankany amin’ny firaisankina amin’ireo firenena afrikanina miezaka ankehitriny ny hiala amin’ny zioga mangeja ataon’ireo firenena tandrefana hatramin’izay. Mampahatsiahy hatrany izahay mba tsy hangataka andro intsony amin’ity indray mitoraka ity. Fotoana izao hitakiana ny famerenana ny Nosy Malagasy manodidina na ny « Iles éparses », sy ny fialana tsikelikely amin’ny fanjanahantany an-kolaka mbola tohizan’ny firenena manjanaka, hoy hatrany ny APM. Hampodio ireo Malagasy any Okrainina, hoy izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT