Sosialy

Antoko Humaniste Ecologique Avereno ny volan ny beantitra nalain ny CUA


  • Talata 12 Aprily 2022

Resabe ny resa-bola 11 miliara Ar an’ny CNaPS. Rehefa nijery ny kaontinn’ny Kaominina 2021 dia nisy 12 miliara tavela.

 Isan’ny nimatimantesan’ny ben’ny tanàna ny fanesorana ny Easy Park. Nahazo 10 miliara Ar tamin’ny FDL (Fond de Développement Local), ka tokony tamin’izany no nandoavana ny Easy Park, raha tena nila vola, fa tsy ny volan’ny beantitra tao amin’ny CNaPS no nalaina, hoy ny Antoko Humaniste Écologique na Hasin’ny Olombelona sy ny Ekolojia misy ireo mpanolontsaina kaominaly Komba dia i Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahina. Ny 12 miliara Ar tokony hamerenana ny volan’ny CNaPS. Tany amin’ny zaridaina sy ny zavatra hafa izay tsy laharam-pahamehana no nandaniana ny vola, hoy ny fanamarihana. Raha toa ka tsy misy ny fampidirana ny “subvention speciale” tamin’ny volan’ny CNaPS dia hanao tsia amin’ny fandaniana ny tetibola ny mpanolontsaina KOMBA. Mikasika ny “compte adminisitratif”, dia efa nangataka ny hanoratana ao anatin’ny tetibola momba ireo orinasa ambara fa an’ny kaominina. Tokony hisy sora-bola miditra noho ny fampidirana ireo orinasa ireo, hoy hatrany ny fanambarana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT