Sosialy

Antoko Fanorolahy Tsy mitady seza fa manasoa ny mpiarabelona


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Efa saika vitan’ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José tamin’ny alalan’ireo malala-tanana nanohana azy ny

 

 

fandraofana ny fako teto Antananarivo vao nihetsika ny fitondram-panjakana nanolotra kamiao sy dabam-pako ho an’ny CUA. Raha tsiahivina dia andro aman’alina no nanaovan’ity antoko ity izany asa izany tsy nisy loko politika sady tsy nitadiavany tambiny, mbola niampy fanenjehana aza, antony nanambaran-dRandrianary José fa tsy mila seza ny tenany. Asa sosialy mahazatra toy ny efa nataonay hatramin’izay no notohizako, hoy izy, anisan’ireny ny fanampiana ireo tsy manan-kialofana natory teny ambany tonelina teto an-drenivohitra, ny fizarana masomboly ho an’ireo tantsaha eny Ambohidratrimo…. Ny somary nanohana kely tamin’ity tranga ity dia toa tsy nasian’ny filoha resaka akory ny mikasika ireo malala-tanana izay nanala ny fakon’Antananarivo, eny fa na dia fihetsika kely monja aza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT