Sosialy

Antoko FANOROLAHY Nanampy ireo sahirana teny Andohatapenaka


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Nijery ireo sahirana monina ao anatin’ny fokontany Andohatapenaka II, kaominina Antananarivo Renivohitra ny antoko Fanorolahy, notarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José, ny sabotsy teo, notronin’ny masoivohon’i Portugal Atoa Rabesahala.

 

 

 Olona miisa 800 no nizarana sakafo atoandro maimaimpoana, niaraka tamin’ny fikambanana Rotary Club Ivandry. Nambaran-dRandriamananjara Patrick, anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Fanorolahy fa mijery ny sahirana ihany koa izy ireo sady mampianatra ny mpiara-belona mba hahay hizara. Io mantsy no tsy ampy eto amintsika raha ny nambarany ka anisan’ny ezaka hotratrarin’ny antoko misy azy ny hamelona indray ilay fitiavana ao am-pon’ny tsirairay mba hahay hifanampy sy hifanohana. Ankoatra ny fijerena ireo sahirana tahaka izao dia miezaka ny manampy hatrany ireo tantsaha ao amin’ny fokontany Ampanataovana Ambohidratrimo ihany koa ity antoko iray ity amin’izao. Anisan’izany ny fanomezana fiofanana ankoatra ny fizarana masomboly sy zezika hahafahana miady amin’ny fahantrana. Manampy ireo tantsaha hahay hilofo sy hiezaka amin’ny fiainana ihany koa izy ireo fa tsy ho zatra hionona amin’ny zava-misy fotsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT