ANTOKO FANOROLAHY

Mamporisika ny tantsaha mba hamokatra hatrany


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny hanohanana sy ny fahantrana ny antoko Fanorolahy.

Izany indrindra no manosika hatrany ny Filoha nasionaliny Randrianary Jose hamporisika ireo tantsaha mba hamokatra hatrany.Ny fambolena hoy izy dia asa sahan'ny tantsaha mpamokatra mba ahazoana sakafo ary hanome ambim-bava ho an'ny mponina ao an-tanana sy ny firenena manontolo. Tena zava-dehibe ny fambolena ho an'ity antoko ity, indrindra fa ny fambolem-bary. Tsiahivina fa miezaka hatrany ny antoko Fanorolahy manome fiofanana ireo tantsaha mpamokatra eny ambanivolo no sady mamatsy fitaovana sy masomboly. Miezaka manatsara ny sosialim-bahoaka amin'ny andavanandro koa izy ireo toy ny fitsidihana sy fanampiana ireo zazalahy sy zazavavy tsy ampy taona beazina sy harenina etsy amin'ny fonjaben'Antanimora. Miisa 500 latsaka izy ireo no notolorana fanampiana tamin'ny volana Jona lasa teo.
Pati
Légende :Randrianary Jose, Filoha nasionalin'ny antoko Fanorolahy vonona hampandroso ny tontolo ambanivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT