Sosialy

Antoko AKFM Nodimandry i Eric Rakotomanga


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Nodimandry omaly alarobia 15 janoary 2020 teo amin’ny faha-65 taonany i Eric Rakotomanga, Filoha nasionalin’ny antoko AKFM

 

 

 

 (Antokon'ny Kongresistan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara) tato anatin’ny 5 taona. Anisan’ny antoko naharitra indrindra teto ny AKFM izay efa tany amin’ny 1958 no nijoroany. Sekretera nasionaly izy taorian’ny fahalasanan’ny sekretera jeneraly Gisèle Rabesahala. Voafidy ho filoha nasionaly izy ny novambra 2019 nandritra ny kongresin’ny antoko. Efa nitantana ny tanora KDRSM, sampana tao anatin’ny AKFM. Mpikambana tao anatin’ny sendika FISEMARE (Fiombonan’ny sendika  Sendika Revolisionera Malagasy) ary niandraikitra ny resaka lalàna. Nianatra momba ny banky tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha izy. Rehefa tafaverina teto Madagasikara, dia tsy dia niditra tamin’io sehatra nianarany io fa nisehatra bebe kokoa tamin’ny politika tao anatin’ny antoko AKFM.  Nirona tamin’ny firehana sosialista ary mbola mitazona izany hatramin’izao, na nisy aza ny fivakisana roa tany amin’ny 1989 ka nahateraka ny AKFM fanavaozana. Tsy dia mankasitraka loatra ny “mondialisation” sy ny “globalisation” na ny fidiran’ireo mpandraharaha vahiny eto Madagasikara, izay ambakainy ho mpandroba ny firenentsika. Tsy mankasitraka ihany koa ny fiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Amin’izy ireo dia ny otrikarena eto Madagasikara ihany no ivelomantsika, ary ny orinasa eto no omena lanja. Efa tonian-dahatsoratry ny gazety Imongo Vaovao ary nivoy izany foto-kevitra izany izy. Rahampitso zoma ny fandevenana ny nofo mangatsiakany eny amin’ny fasan-drazany Manjaka Ilafy, Antananarivo Avaradrano. Isika eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT