Sosialy

Antohomadinika Mila ho tonga eny afovoan’ny arabe ny fako


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Mitaraina avokoa ireo mpampiasa lalana sy ny mponina eny Antohomadinika amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

 Noho ny fitobian’ny fako eo akaikin’ny toeram-pivarotana atody no mahatonga izany izay sady mamofona no manangon-dalitra. Ankoatra izay, lasa miteraka fitohanana eny an-toerana ihany koa ny fako mivangongo. Mila ho tonga eny afovoan’ny arabe mihitsy noho ny tsy fisian’ireo fiarabe mpanangona fako maka avy amin’ny SAMVA. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra ny mponina mba hiarovana ny fahasalaman’izy ireo. Ao koa ny mpampiasa lalana. Tsiahivina fa efa ho telo herinandro izao no nivangongo ny fako teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny aretina pesta anefa efa mananontanona sahady. Olona 13 isa hatreto no ahiahiana ho voany ary efa nandraisana fepetra manokana ny fitsaboana azy. Antso avo no hatao amin’ny fitondram-panjakana sy ny SAMVA. Tsy mamela mahazo mantsy ny pesta nefa ny hanin-kohanina isan’andro aza efa tena manahirana ny vahoaka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT