Sosialy

Antohomadinika atsimo-AmbodinIsotry Olona 4000 no mety tsy hanan-kialofana noho ny ady tany


  • Alarobia 14 Jona 2023

Nivoaka ny tokantranony nilanja sora-baventy sy nanapoaka sarom-bilany avokoa omaly ireo mponina ao amin’ny Fokontany Antohomadinika Atsimo sy Ambodin’Isotry.

Vokatry ny fakan’ny olona iray ny tany efa nohajarian’izy ireo nanomboka tamin’ny taona 1986 no anton’izany ary efa nananganany trano miisa 120. Raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray izay efa niady mafy io tany io niaraka tamin’ireo mpiara-monina aminy dia efa tamin’izany fotoana izy ireo no nangataka tamin’ny orinasa SEIMAD ny mba hahafahany mividy io tany io. Tsy nahazo valiny mahafa-po anefa izy ireo nandritra ny taona maro ka niezaka ny nanohy ny fangatahany hatrany. Taty aoriana nahare izy ireo fa namidin’ity orinasa ity tamin’ny olon-tokana ny tany tamin’ny vidiny 4 hetsy Ar latsaka. Notorian’ny tompon’ny tany izy ireo noho izany ka efa in-telo nandeha tribonaly ny raharaha. Tamin’ny voalohany dia resy ny fokonolona. Tamin’ny faharoa naharesy raha resy indray tamin’ity fanintelony ity, didy nivoaka tamin’ny zoma teo. Fantatra araka izany fa horavana ireo trano miisa 120 ireo ka olona manodidina ny 4000 eo ho eo no mety tsy hanan-kialofana tampoka. Nanambara moa Atoa Paolo Raholinarivo fa kolikoly teo anivon’ny fitsarana no anton’izao koa miantso ireto vahoaka ireto mba tsy hanaiky ity didy nivoaka io ny tenany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT