Sosialy

ANTOHOMADINIKA 4 andro tsy nandeha ny rano


  • Talata 28 Desambra 2021

4 andro tsy nandeha ny rano fisotro madio tao Antohomadinika, kaominina Antananarivo renivohitra. Vokatry ny fahatapahana avy amin’ny JIRAMA no nambaran’ireo mponina fa antony mahatonga izany

 izay tena mampitaraina fatratra azy ireo. Nambaran’ny Renim-pianakaviana iray fa raha mahavita maka ranon’olona 50 bidons amin’ny 20 litatra miloko mavo isan’andro ny tenany ho ana tokantrano miisa 3 teo aloharehefa tena mandeha ny rano dia tsy mahita afa-tsy 10 bidon sisa ankehitriny. Misy fiantraikany amin’ny asa famelomako ny ankohonako izany hoy hatrany izy satria mihena ihany koa ny vola miditra. Raha hahazoany 5.000 Ar isan’andro mantsy io 50 bidons io dia tsy mahita afa-tsy 1.000 Ar isan’andro izy sisa ankehitriny izay zara raha mahazo vary roa kapoaka. Velon-taraina ireo olona mivelona amin’ny asa fitaoman-drano ao Antohomadinika noho izany. Ho an’ireo tokantrano hafa kosa dia miantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana izy ireo fa mahatsiaro ho tena mijaly sy sahirana amin’ny filaharan-drano manomboka amin’ny 01 ora maraina isan’andro.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny rano fisotro madio ao Antohomadinika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT