Sosialy

Antenimieram-pirenena Mifandimby mankeny amin'ny CCI Ivato ireo mpiasa


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Araka ny fanazavana nomen'ny tompon'andraikitra vaovaon'ny serasera eny anivon'ny Antenimieram-pirenena Malagasy eny Tsimbazaza,

 Rtoa Randriamitandrina Mboahangy, dia voatery nampifandimbiasina ireo mpiasa miandraiki-draharaha eny anivon'ity rafitra ity amin'izao fiatrehan'ny solombavambahoaka ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona 2020 ity ka misy ireo mijanona miandry tanàna ao amin'ny Lapan'i Tsimbazaza sady manohy ny asa mahazatra azy ireo ao ihany fa misy kosa ireo ampahany nalefa hisahana ny fampandehanana ny fivoriana eny amin'ny CCI Ivato noho ny fepetran'ny ady amin'ny covid-19. Fantatra ary fa raha ny minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro sy ny minisitry ny fanajariana ny tany ary ny minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana no nitondra ny tatitry ny zava-batany avsy namaly ny fanontaniana napetrak'ireo solombavambahoaka omaly dia anjaran'ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena kosa no miakatra eny amin'ny CCI Ivato anio alakamisy 04 jona 2020.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT