Sosialy

Antehiroka-Talatamaty Fako 24-30 taonina isan’andro no haodina


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Ao Andramiarana raha araka ny fantatra no hananganana ilay toerana fanodinana fako iraisana ho an’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy Talatamaty anisan’ireo kaominina 2 amin’ny 3 voafidin’ny Ministeran’ny tontolo iainana

 hanatanterahana izany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia fako mahatratra 24 ka hatramin’ny 30 taonina isan’andro no ezahina haodina ao an-toerana ka efa ao am-piandrasana ilay fifanaraham-piaraha-miasa hahafahana mamoaka ny vola ilaina amin’izany ireo kaominina roa ireo ankehitriny. Mba tsy hahaela ny asa anefa dia efa hampianarin’izy ireo hahay hanavaka ny fako mivoaka any an-tokantranony sahady ireo mponina ao anatin’ireo kaominina ireo. Misy ny fiofanana hatrehin’ireo tompon’andraikitra ankehitriny izay hametrahana fitaovana hasiana izany karazana fako izany isaky ny toerana tokony hisy azy. Hatokana ny tavoahangy plastika izay harendrika ho lasa plastika vaovao indray. Hatokana ny taratasy sy ny hazo mba hahazoana akora vaovao hafa. Hatokana koa ny sasany mba hanaovana zezika hamatsiana ireo tantsaha mpamokatra raha hatokana toraka izay ihany koa ireo fako sasany mba hanaovana auto blocant. Ankoatra ny fiarovana ny tontolo dia fantatra fa olona marobe no hahazo asa avy amin’ny alalan’ity tetikasa ity. Tsiahivina moa fa misoroka ny aretina tsy hiparitaka ny fanodinana ny fako tahaka izao. Toraka izany koa ireo poizina tena atahorana mety hanimba ny fahasalamana. Pati
Legende : Ny ben’ny tananan’Ambohibao Antehiroka, Atoa Lalaina Vatosoa nitondra fanazavana mikasika ity tetikasa ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT