ANTEHIROKA

Mamelona olona maro ny fanodinana ny fako


  • Talata 30 Jolay 2024

Saika mivelona sy miaina amin'ny zava-misy eny aminy ireo mponina eny amin'ny faritra iva

hoy Atoa Andrianoelisoa Joséana, tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny faritra Andramiarana. Raha ny eny amin'io faritra io manokana dia miaina amin'ny fanodinana ny fako eo amin'ny tobim-pako Antehiroka ny 30 isan-jaton'ny mponina ka zaza amam-behivavy ny ankabeazan'izy ireo. Mivoaka toy ny mamonjy asa mihitsy ny sasany amin'izy ireo isa-maraina ary arakarakin'ny fako miditra ny fidiram-bolany. Misy amin'ireo fako toy ny saribao, vy, poti-bary hohaniny kisoa no amidy amin'ny mponina eo an-toerana ihany. Misy ny amidy amin'ny orinasa toy ny plastika sy "sachet". Eo ihany koa ireo hahodina ho asa tanana toy ny poti-damba. Isany midobaka manerana an'i Madagasikara ny fako ary saika ahitana izany avokoa ny isan-tokantrano hoy i Emilie, nanangana ny HOPE SERVICE izay orinasa misehatra amin'ny fanangonana ny fako. Ilaina fiara-mientana hoy izy ny fikajiana sy fanodinana izany.
Lalaina RAV

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT