Sosialy

Antaninarenina Buffet du Jardin Nisitraka fetin’ny Noely ireo sahirana ara-pivelomana


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Tahaka ny fanaony isan-taona dia nisitraka fetin’ny Noely tamin’ny alalan’ny fanomezana natolotry ny fianakaviana Eric Kholer tompon’ny toeram-pisakafoana Buffet du Jardin eny Antaninarenina azy ireo ny kilonga sy olon-dehibe sahirana ara-pivelomana nanodidina ny 400 teo ho eo avy amin’ny faritra Antaninarenina, Ambatonakanga,

 

 

 Ambatonilita, Ambatomena manodidina ny Ambassade de France. Mendrika ny hisitraka fetin’ny Noely tahaka an’ireo fianakaviana rehetra manerana ny nosy  izy ireo, hoy Atoa Eric Kholer, ary mahatsiaro azy ireo manokana izahay noho ny fiaraha-miasa matotra amin’izy ireo mandritra ny taona (fiambenana tanàna, fanadiovana ny faritra, firaha-mientana amin’ny asa hafa ihany koa…). Vary sy laoka henan’omby matavy, “jus”  samihafa ary “Gateaux de Noël” tsirairay avy no natolotra azy ireo tamin’izany. Hoeritreretina, hoy izy, ny hanomezana kilalao hoan’ireo ankizy amin’ny taona ho avy ary mikasa ny hanolotra sakafo ho azy ireo koa izahay amin’ny fetin’ny fahaleovanteny 26 jona 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT