Sosialy

Antanimena Teraka teny an-tsisin’arabe ilay Ramatoa


  • Talata 03 Desambra 2019

Samy manana ny anjarany ny olombelona tsirairay. Misy vao teraka dia efa any amin’ireny toeram-pitsaboana tsy miankina handoavana volabe ireny, misy koa ireo teraka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka toy ity nitranga teny Antanimena omaly tolakandro ity.

 

 

 

 

 

Ramatoa iray voalaza fa tsy manam-piahy, mpangataka no teraka tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany.  Olona sendra nandalo no nahita azy efa nanena ilay menaky ny ainy tao ambadiky ny fiarakaretsaka iray. Nisahotaka niantso ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana ny rehetra noho izany  saingy efa tara ireto farany vao tonga.  Nalefa tany amin’ny espace medical izay tsy lavitra teo moa  izy mianaka taorian’izay. Tsiahivina fa lahikely ilay zaza tsy manan-tsiny ary izay  lamba nahafahana nandrakotra azy aloha no nitondrana azy tany amin’ilay tobim-pitsaboana. Fantatra, araka ny vaovao farany omaly hariva, fa eny amin’ny CSB II Maternité «CARMMA» Antohomadinika lalamby no ahitana azy mianaka, efa nahazo ny fitsaboana sy fikarakarana rehetra ary samy salama tsara.

 

 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT