Sosialy

Antanimalandy, Mahajanga I Narian-dReniny ilay zaza menavava


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Zaza menavava iray fantatra fa lahikely ary manodidina ny 3 volana eo ho eo no narian-dreniny tao amin'ny fokontany Antanimalandy, kaominina sy distrikan’i Mahajanga I omaly maraina.

Teo akaikin'ny toby fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka zotra faha-7 no nametrahan’ilay Reniny io zaza tsy manan-tsiny io taman’olona. Nilaza fa handeha hamonjy toeram-pivoahana ilay Reniny raha araka ny loharanom-baovao azo kinanjo tsy niverina intsony. Ramatoa iray tsy nanam-po na inona na inona no nametrahany ilay zaza ka voatery nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa tsy niverina elaela ilay Reniny. Efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana saingy mbola tsy hita ny Renin’ilay zaza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza sy ilay Vehivavy nametrahan-dReniny azy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT