Sosialy

Antanetibe Mahazaza Navoaka ny razana fa hotrongisina ny fasana


  • Alarobia 24 Jona 2020

Nesorina ilay fasan-drazan'olona, ary navoaka tao daholo ny razana satria amboarina ny lalana, ety Antanetibe Mahazaza Ambonirina, hoy ny fitantarana mahakasika ity toe-javatra ity.

 

 

 

 

 Mandeha ny fitrongisana amin’ny alalan’ny milina lehibe fanamboaran-dàlana ny toerana hanaovana izany, ka mifanandrify amin’izany indrindra ity fasana ity, raha ny fahitana azy. Navoaka sy nofonosina ireo razana araka ny sary nivoaka, saingy tsy fantatra mazava na efa misy toerana na fasana vonona handevenana azy ireo. Niampantrampatra tsy misy lafika fa navoaka teo amin’ny malalaka fotsiny. Isan’ny manan-danja amin’ny Malagasy ny razana, ary misy ny fombafomba amin’ny fikitihana azy ireny, saingy toa hafahafa ity niseho teny Antanetibe Mahazaza ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT