Sosialy

Antananarivo Zokiolona sy zaza sahirana 1600 nomena arotava


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Tafakatra 1600 ireo arotava nozaraina ho an'ireo zokiolona sy ireo zaza sahirana sy marefo teto Antananarivo manokana ny 27 aprily lasa teo.

 

 

 881 kosa ny tontalin'ireo olona voasazy tsy nitondra aron-tava ka 698 teto Antananarivo sy ny manodidina, 68 tany Toamasina ary 45 Fianarantsoa. Marihina fa nisy ireo teratany vahiny 10 tao anatin’izany. Enina ny teto Antananarivo raha efatra ny tany Toamasina. Rahefa avy nentanina momba ny mahazava-dehibe ny fitondràna aron-tava moa izy ireo dia nozaràna izany avy hatrany izay vao niroso namita ny sazy fanadiovana iraisana. Mitohy ny fanaraha-maso sy fanentanana ary fizaràna arotava mandritra ity herinandro ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT