Sosialy

Antananarivo Tanàna maro no mijaly rano


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Ankerana Ankadindramamy, Soamanandrariny, Ambatobe, Mandrosoa, Masinandriana, Analamahitsy Cité, Analamahitsy Tanàna, Andranobevava, Andrononobe, Andafiavaratra, Ambohitrarahaba,

 

 

 Antanandrano, Manjaka, Ambohipanja, Ankadikely, Ilafy, Antsampandrano, Andranovelona, Ambohitraina, Ambodivoanjo, Androhibe, Ampetsapetsa, Ivandry, Mahatony, Alarobia, Amboniloha, Soavimasoandro, Amorona, Ambaravarankazo. Lava ny lisitry ny tanàna tsy misitraka rano vatsian’ny Jirama hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Fahasimbana amin'ny fantsona lehibe eny Nanisana no voalaza fa antony. Mitaraina ny mpanjifa fa mitarazoka ny asa fanamboarana ataon’ny Jirama. « Citerne mobile » mitety ireto faritra tapaka rano no vahaolana vonjimaika naroson’ny Jirama. Ny rano zaraina tsy azo antoka, nefa tena ilaina ny rano amin’izao ady amin’ny valanaretina izao. Mitombo ihany koa ny fotoana lany isan-tokantrano amin’ny filaharana. Ilaharana avokoa ny zavatra rehetra, mainka moa anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT