Sosialy

Antananarivo sy Toamasina Raikitra indray ny grevin’ny mpianatra


  • Talata 10 Novambra 2020

Nanao fihetsiketsehana sy nanakan-dàlana, nandoro kodiarana indray ireo mpianatry ny oniversite mipetraka eny Ankatso I omaly vokatry ny fahatapan-drano.

 

 

 Am-bolana no nanao tatitra tamin’ny CROUA, saingy nilaza ianareo fa tsy anjaranay izany fa an’ny Jirama, hoy ireo mpianatra, ary naneho fa tsisy hetsika politika io, fa fitakiana. Voatery makany amin’ny paompim-pokontany kanefa ny vola hividiananay rano tsy misy, ny fisoratana anarana efa mandeha, hoy izy ireo. Volana maro no ambaran’izy ireo fa efa nisian’ny olana. Adin’ny iray taorian’ny fanombohan’ny hetsika no tonga ny kamion’ny Jirama nitondra rano, ary teo ihany koa ny mpitandro filaminana. Olana ny tosiky ny rano, ary rehefa mamaha olana tsy tonga dia eo noho eo dia mety hahita mazia, fa mandeha miandalana, hoy iny ny Jirama. Nilaza tsy ho afa-po tamin’ny famatsiana rano amin’ny “citerne” mpianatra, ka naneho fa hivory ny Filohan’ny mpianatra hamaritana ny tohin’ny hetsika. Tsy teny Ankatso ihany fa nisy ihany koa ny fitakiana nataona ampahana mpianatra tany Toamasina omaly noho ny fidangan’ny saram-pisoratana anarana. Mahatratra 9 hetsy ariary mantsy ny saram-pisoratana anarana ao amina sampam-pampianarana iray ao amin’ity anjerimanontolo ity, raha ny voalazan’ireo mpianatra ireo. Nilanja sora-baventy sy nanakan-dàlana ihany koa ireto mpianatra ireto, ary nitaky vahaolana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT