Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Vao miha niha mafy ny delestazy


  • Talata 11 Janoary 2022

Hitombo hatramin'ny 128MW ny herinaratra ho vokarina ao Andekaleka raha nanodidina ny 90 MW izany teo aloha. Hiampy iray ireo milina mpanodina herinaratra ka ho lasa 4.

Izay raha fintinina ny akon’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Andekaleka omaly. Ankoatran’izay moa dia isan’ny tatitr’ireo mpanaradia azy tao anaty tambazotran-tserasera ny hoe mafy ny tsindry na “pression” apetraky ny filoha amin’ireo miasa ao amin’ity ivon-toerana isan’ny mpaninjara herinaratra eto Madagasikara ity. Asa hoe dia karazana “pression” nanao ahoana loatra izany no nataony tao fa dia vokany aloha dia saika tapaka avokoa ny jiro teto Andrenivohitra sy ny manodidina nanodidina ny tamin’ny 5 ora sy 25 minitra hariva teny. Tsy niverina izany raha tsy tany ho any amin’ny 9 ora alina tany ho any. Ny tany alasora aza moa velon-taraina fa efa ho tapak’andro tsy nisy herinaratra. Raha ny vinavina fahatapahan-jiro nampahafantarin’ny JIRAMA ho an’ny omaly anefa dia Ambodivona, Antanimena, Ankadifotsy, Behoririka, Vassacos, Ankazomanga, Andraharo, Anosivavaka, Ampasika, Bemasoandro, Ambaniala, Ambanilalana, Ambodifasika, Itaosy, Ambavahaditokana, Vinany, Ambohimamory, Ampitatafika no tokony ho tratran’izay fahatapahan-jiro izay nanomboka tamin’ny 5 ora sy 45 minitra hatramin’ny 8 ora alina. Tsy nijanona tamin’ireo ihany anefa no niharan’izany, raha ny fampitam-baovao hatrany, fa isan’ny nizaka izany koa ny ankamaroan’ireo fokontany teny amin’iny boriboritany faha 5 iny toy ny teny Ambohidahy Ankadindramamy sy Ambatomainty ary Amboditsiry sy ny teny amin’ny boriboritany faha 3 manodidina an’Ambohitrakely. Hita ho miha tsy voafehy hatrany ny toe-draharaha ary mampametra-panontaniana hoe misy ifandraisany tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena ve izany sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany fa dia vao mainka aloha izany niha mafy iny ny delestazy arakaraky ny nidinany tany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT