Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Nampiteny ny moana indray ny delestazy


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Nampikolay ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo sy ny manodidina omaly saika ny tontolo andro mihitsy. Na tapaka tanteraka na fahatapahatapahana matetika, saika tamin’ny toerana rehetra.

 Olana tamin’ny tambajotra mamatsy an’Antananarivo na ny RIA (Réseau Interconnecté d'Antananarivo) no voalaza fa antony. Tsy ny jiro ihany, fa maro ny faritra tapaka ihany koa ny rano. Ny maraina dia efa naneho fialan-tsiny tamin’ny mpanjifa ny Jirama. Nambaran’io orinasa io, fa misy tsy fahatomombanana tao amin’ny toby famokarana ao Andekaleka, izay miteraka tsy fahampiana amin’ny famokarana sy famatsiana an’Antananarivo. Ankoatra ny fahatapahana efa nisy ny maraina, dia nampahafantarina ny fahatapahana nanomboka tamin’ny 6ora hariva-09 ora alina tamin’ny tambajotra Ambohimanambola hatrany Manjakandriana; Andraharo Talatamaty sy ny manodidina; 67Ha-Ankasina-Ampefiloha sy ny manodidina; Ankorondrano, Ivandry, Alarobia sy ny manodidina; Ambohitrarahaba, Analamahitsy, Manjakaray sy ny manodidina; Ankadivato, Antsakaviro, Ampahibe sy ny manodidina; Ampitatafika, Fenoarivo, Imeritsiatosika sy ny manodidina,… Maro ny toerana nahitana fahatapahana, saika nanerana an’Antananarivo. “Efa miverina amin'ny laoniny tamin'ny 7 ora sy fahefany teo ny herinaratra amin'ireo toerana voakasiky ny fahatapahana noho ny tsy fahatomombanana nisy tao amin'ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andekaleka”, hoy ny Jirama tamin’ny 8ora alina teo ho eo. Tsy izay anefa no niseho, fa taorian’ny tamin’ny 9ora alina aza mbola maizina ny ankamaroan’ny tanàna teto Antananarivo. Vao nirotsaka kely ny orana, dia toerana maro no niaina tao anaty haizim-pito. Ny maraina tsy mbola nisy orana no efa tapaka tsy nifankahitana ka asa hoe: fahasimbana sy olana inona loatra? Sao dia mba misy ifandraisany tamin’ny lonilony eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa mpamatsy solika sy mampindrana milina amin’ny Jirama kosa ny raharaha? Ny herinandro lasa teo, somary nanenjana tamin’ireo kaompanian-tsolika ny Fanjakana ka sao mba mandeha ihany koa ny don-tandroka sy ny valin-kafatra ankolaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT