Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Mitombo isa isan’andro ny tsy salama saina


  • Zoma 27 Jolay 2018

Mitombo isan’andro ireo adala eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy amin’ny andro mafana toy ny mahazatra intsony no mampirongatra azy ireny fa efa feno ihany koa na dia amin’ny andro mangatsiaka toy izao aza. Betsaka ireo tsy hampoizina amin’ireny olona adala ireny.

Misy ireo miakanjo tsara tarehy sy madio nefa dia miteny irery sy tsy mahalala olona rehefa eny an-dalana. Misy indray ireo mivandravandra mampatahotra toy ny efa very fanahy mihitsy ka ialana fotsiny sao sanatria mamono. Raha araka ny fanazavan’ny psikôlôgy iray dia noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny vesatra mianjady amin’ny tsirairay no antony mahatonga ireny tranga ireny. Misy ireo nisara-bady na maty vady dia lasa mipitsoka raha misy koa ireo very asa na tsy manan-katokona matetika hany ka manary lamba mihitsy. Rehefa tena voa mafy anefa izy ireny dia tsy misy mpijery ihany koa, antony nahatonga ny teo anivon’ny BMH hilaza fa tsy manan-kavana ny ankamaroan’ireo olona adala eto an-drenivohitra. Ny fanjakana anefa etsy an-daniny mijery fotsiny ihany koa raha tsy maharaka ny fahafahana mandray an-tanana sy mikarakara azy ireny ny teti-bolan’ny kaominina. Tsy maintsy hiantohana ihany koa mantsy ny sakafon’ireny olona marary saina ireny rehefa aterina eny Anjanamasina izy raha tsy izany dia alefan’ireo tompon’andraikitra miverina mody. Ilaina ihany araka izany ny manamboatra ny saina na dia maro aza ny olana sedrainy.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT