ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA

Mitombo ireo zokiolona lasa mpangataka


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mitombo isa hatrany ireo zokiolona tazana mangataka eny amoron-dalana

eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Saika manodidina ny 60 taona miakatra avokoa izy ireo ka vehivavy ny ankamaroany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Dadazily anisan’ireo zokiolona tsy manam-piahy eto amintsika dia efa 3 taona izy izao no narian’ny zanany. Raim-pianakaviana niteraka 3 izy ary efa maty vady. Nanofa trano hatrany izy hatramin’izay raha araka ny fanazavany ary nivarobarotra sakafo masaka no mba asan’izy mivady. Ankehitriny anefa tsy eo intsony io vadiny io, ny tenany ihany koa efa 80 taona mahery ka tsy manana hery entiny mamelon-tena intsony izy. Ireo zanany rahateo efa samy manana ny tokantranony avokoa hoy hatrany ny fanazavany. Nisy fotoana aho mba nipetraka tany amin’ny ankizy ihany fa tsy misy mahazaka hoy Dadazily. Tsapako ho nanakorontana ny tokantranon’izy ireo ny fisiako ka naleoko mangataka ety amoron-dalana sisa. Rehefa manina azy ireo aho dia mamangy ihany raha vitako dia an-tongotra ny lalana. Nambaran’i Dadazily hatrany fa rehefa marary izy dia mandeha miangavy ireo olom-pantany na mangataka hatrany mba hividianany fanafody. Rehefa fety kosa dia mihainohaino eny rehetra eny satria tsy zakan-kavana ihany koa. Nomarihiny moa fa tsy fitiavana tsy akory no antony nanarian-janany azy fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny mihitsy. Ny fanjakana hoy izy no tokony hanome tantsoroka ho an’ny zokiolona mba tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina tahaka ahy izy ireny eny fa na dia trano hatoriana fotsiny ihany aza.
Pati
Legende : Dadazily efa 3 taona narian’ny zanany izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT