Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Mihamahazo vahana ny areti-maso


  • Talata 30 Jolay 2019

Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny tazo dia mihamahazo vahana ihany ny areti-maso amin’izao fotoana izao. Ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no tena mahita faisana amin’izany herinandro lasa izay.

 

 

 

 

 Saika voa daholo ny olon-dehibe sy ny ankizy madinika, karazan’aretina izay nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa mora mifindra tokoa ka ilana fitandremana be.  Miseho amin’ny alalan’ny maso mivoaramena, mangirifiry ary mamoaka ranomaso madity  izany. Mamoaka taimaso be ihany koa ilay maso ka ireny karazan-javatra mivoaka ao aminy ireny ihany dia efa  ampy hanaparitaka ilay mikraoba raha tsy mitandrina ilay tompony. Ny fanasana tanana amin’ny savony ihany no vahaolana haingana iadiana amin’ny areti-maso tsy hiparitaka ankoatra ny fanatonana dokotera hahafahana mitsabo izany, hoy hatrany ity dokotera ity. Nomarihiny fa mikraoba no mahatonga ny areti-maso ka tafiditra ao ny loto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT