Nitsidika ireo toerana mpamokatra sy mpamatsy rano fisotro madio an'Antananarivo sy ireo faritra manodidina ny renivohitra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly, izay nidina ifotony tetsy Mandroseza ary nitohy teny Soalandy Ankadivoribe.
Hatramin’izay dia ny eny Mandroseza irery no hany toerana hanadiovana sy hamatsiana rano, ary raikitra kosa ny eny Ambatofotsy, Avaradrano ho an’ny faritra Avaratra-Atsinanan’ny renivohitra mahazaka 2400m3 isan’andro, ary Faralaza Talatamaty ho an’ny faritra andrefana izay mamatsy 9600m3 isan’andro, ary ho an’ny ilany Atsimo kosa dia eny Ankadivoribe izay hahazoana 2400m3. Namatsy vola ny tetikasa ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI) sy ny Vondrona Eoropeanina, ka tanjona lehibe ny fampitomboana ny tosiky ny rano avoakan’i Mandroseza hatrany amin’ny 150.000 hatramin’ny 200.000 m3 isan’andro. Tafiditra tao anatin’ny fanajariana ihany koa ny fantson-drano mirefy 350km. Mponina miisa 50.000 ao amin'ny kaominina Iavoloha, Mandrimena, Amboanjobe ary Ankadivoribe no hisitraka ny tetikasa an’ny eny Ankorondrano, ary mitentina 5.084.321.000 miliara ariary no tentim-bidin'ny fanamboarana ilay toby eny Ankadivoribe, ka ny 60% dia iantohan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny Jirama ary maherin’ny 30% avy amin’ny governemanta Britanika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.