Sosialy

Antananarivo sy ny manodidina Hanaovana lava-drano maro be


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Hanao lava-drano ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny rano sy ny

 

 

 

 

Jirama mba hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, araka ny fampanantenana voarakitra ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 27 janoary. Madiva hifarana ny fanadihadiana ara-teknika, ary hanomboka amin’io herinandro io ny fametrahana ireo lava-drano rehetra manerana an’Antananarivo sy ireo faritra saro-drano, ka ahitana “nappe phréatique” ahafahana mamatsy ireny toerana ireny. Hidiovana, hanasan-damba sy handrahoana sakafo ny rano azo, ary mila ampangotrahina vao azo sotroina, hoy ny tatitra. Miandry an’io fandavahana sy fitsanganan’ny lava-drano io aloha izany ny rehetra satria tena efa mampikolay ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahana efa ho lava.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT