Antananarivo sy manodidina

Mangotraka ny fahirano!


  • Talata 23 Aprily 2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

hatramin'ny 5 ora maraina eto Antananarivo noho ny fanamboarana fantson-drano eny Ambohimiandra, hoy ny Jirama omaly. Toerana maro no voakasika : Analamahitsy, Ambodivoanjo, Ivandry, Alarobia, Ankorondrano, Soavimasoandro, Amboniloha, Anjanahary, Ambatomainty, Manajakaray, Ambodivona, Ankadifotsy, Ambatobe, Ankerana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, Andrononobe, Ambohitrarahaba, Ankadikely Ilafy, Manjaka, Masinandriana. Mbola niampy ny serasera avy eo, mamaramparana ny asa fanoloana ilay "roulement" ao amin'ny milina Electropompe G7 ety Mandroseza ireo teknisiana. Mandritra izany dia misy ny fikorontanan'ny famatsian-drano toy ny any faritra afovoany: Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Ambohitsirohotra, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Tsimialonjafy, Antaninandro, Behoririka, Andravoahangy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Tsiadana, Andohamandry, Fort-voyron, Mahamasina, Befelatanana, Campus, Ambolokandrina , Ankatso , Cité Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato. Any amin’ny La Haute Vile: Ambanidia, Anjohy, Andohalo, Ambohimitsimbina, Andafiavaratra, Ambonin’ampamarinana. Zone Alasora : Ambohipo Sud, Ankazobe, Mandikanamana, Amoronakona, Ankadindratombo, Ankadindratombo Tsena, Ambodivoanjo, Ambohidrazaka, Mahatsinjo, Ampahibato, Ambohitanety, Mahitsy, Ambohimarina, Mahazoarivo, Mahazoarivo Est, Ankadievo, Ambohitsiroa, Ambohiroy, Ambodivondava, Mendrikolovana, Ambatomalaza, Alasora, Miadana, Ambohitromby. Zone Sud: Tanjombato, Mahabo, Ambohijanaka, Imerimanjaka, Ankaraobato, Ankadilalampotsy, Tongarivo, Ankadiefajoro, Morarano, Mahalavolona. Zone Est: Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva. Rehefa zohiana dia Antananarivo sy ny manodidina no tratry ny fahirano. Mitombo ny mponina, fa ny famokarana tsy miova, ny fotodrafitrasa miha antitra,… Tsy vokatry ny olana teknika ihany, fa efa tena krizy sy fahirano ara-bakiteny!
MBY AIZA ILAY FANAVAOZANA IREO FATSON-DRANO?
Efa hatrany amin’ny volana aogositra 2020 tamin’ny andron’ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha izay nifampitadiavana taty aoriana no nanaovana serasera fa havaozina ny fantson-drano 90km eto Antananarivo, ka ny orinasa Afrikanina Tatsimo TGR International Pipeline Ltd no manao ny asa, mirefy 10km ny dingana voalohany, toy ny eny amin’ny, i Bemasoandro Itaosy Ilanivato 1,05KM, Anjanahary II, Androndrakely 820m, i Soavimasoandro 1 ,498m. Nambara fa tsy hijanona eo mo ny tetikasa satria efa misy famatsiam-bola hoan’ny tetikasa Jirama Water Front, ka mitotaly 380km ny fantson-drano havaozina sy soloina hoan’ny distrika miisa 50 manerana ny Madagasikara, toa an’i amin’izany Mahajanga, Antsirabe, sns,tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana herinaratra manerana ny distrika 119 ka ho vitaina mialohan’ny taona 2021,… Mby aiza izany 4 taona aty aoriana? Tena nandeha sy nahomby ve serasera ivelany fotsiny?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT