Sosialy

Antananarivo Sarety no itondrana marary


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Tsy misy ny Fiarakaretsaka na Taxi. Tsy misy koa ny Taxibe. Etsy an-kilany koa anefa dia lafo ho an’ireo sarambabem-bahoaka ny hofan’irony fiara mpitondra

 

marary na Ambulance irony, satria manodidina ny 150 000 ar ka hatramin’ny 300 000 ar. Vokatr’izany, raha ny tsikaritra omaly, dia isan’ny lasa fitaovam-pitaterana marary nihazo iny hopitaly CHU Befelatanana iny ny Sarety eto Antananarivo;lehilahy iray sy ny mpanampy azy no tazana nitarika sarety ary notafian-damba eo ambonin’ilay sarety ny marary, fa hoe mila entina maika any amin’ny hopitaly. Miaina anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka malagasy vokatry ny fidiran’ity valan’aretina COVID19 ity eto amin’ny firenena. Ankoatran’ireo fifanararaotana eo amin’ny vidin’entana andavan’andro dia heverina fa isan’ny mariky ny fitontonganan’ny lafiny sosialim-bahoaka ihany koa ny tarehin-java-mitranga toy itony. Efa mafy amin’ny malagasy izay mahantra ny 95% ny miatrika izao fahatapahana fivelomana tampoka izao ary mbola fanontaniana mipetraka hatrany mandrak’androany ny hoe aiza ny vahaolana mifanindra-dalana marina na ilay dradradradraina foana hoe « mesure d’accompagnement » hisorohana ny fiantraikany mafy rehetra aterak’ity krizy ara-pahasalamana ity ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT