Sosialy

Antananarivo Renivohitra Tsy rariny intsony ny havoretrana...


  • Talata 15 Oktobra 2019

Mivalan-drano etsy sy eroa, manary fako eny rehetra eny... Santionany ireo.

 

 Dia hanome tsiny indray fa ny kaominina no tsy manao ny asany sy tsy manadio ? Sao kosa efa raiki-tapisaka ilay toe-tsaina lomorina hoe efa misy olona voakarama hanadio sy hamafa ka hanao inona fotsiny ireny ? Mihevitra fa tsy maintsy hampiasa polisy monisipaly hiambina toy ny omby ve vao hanaja ny hafa sy ny fahadiovana ? Ireo mpivarotra koa moa dia ny hahalafo ny entany ihany no masaka ao an-dohany fa ankoatr'izay dia tsy misy iasany saina. Dia gaga ve isika raha tsy maha-te honina sy maimbo ary hitangoronan' ny voalavo eto an-drenivohitra ? Ao anatin'ny adihevitra indrindra isika izao amin' ny fifidianana ben'ny tanàna. Iza amin'izy dimy mirahalahy no hahay handamina ny tanàna ? Ny fanazavana ny tanàna. Momba ireo fako indrindra ny fiaraha-miasa amin'ny Samva. Ahoana ny fiahiana ireo beantitra sy ireo tsy manan-kialofana ? Eo koa ny fiahiana ireo misy aretin-tsaina izay mampidi-doza amin'ny haromotana. Iza no hanana drafi-panajariana mifanaraka amin'ny filàna ? Ny zava-misy ankehitriny dia voretra ny tanàna ary tsy mahagaga raha tanàna faharoa maloto, indrindra maneran-tany Antananarivo noho isika ihany.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT