Sosialy

Antananarivo Renivohitra Tsy ekena intsony ny mivarotra eny amin’ny arabe


  • Talata 05 Febroary 2019

Taorian’ny fihaonana teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny prefektiora ary ny polisy nasionaly manerana ny boriborintany enina amin’ny famahana ny olan’ny fifamoivoizana eto

 

an-drenivohitra sy ny manodidina dia nidina ifotony teny amin’ny amin’ny  pavillon Analakely ny  sekretera jeneralin’ny kaominina Atoa  Heriniaina Razafimahefa sy ny lefiny omaly . Tao anatin’izany no nanazavan’izy ireo tamin’ireo mpivarotra   fa tsy maintsy hajaina ny lalàna efa nisy hatramin’izay.  Ny arabe dia  natao ho an’ny fiarakodia  ka tsy azo hivarotana  intsony.  Ny trottoir  ihany koa dia natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ka tsy azo ivarotana ihany koa. Nankasitraka ireo  mpivarotra amoron-dalana nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina, omaly. Nomarihin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Atoa Heriniaina Razafimahefa  fa tsy maintsy natao izany hitsinjovana ny rehetra sy ho fanajana  ny lalàna misy. Tsy  maintsy manaraka ny hitsy na “alignement” araka ny lalàna napetraky ny kaominina ny mpivarotra  rehetra manomboka izao fa tsy mahazo mibahana ny arabe intsony. Marihina fa efa azon’ny fiara ivezivezena tsara eny amin’ny pavillon Analakely amin’izao raha tsy azo nandinganana mihitsy teo aloha.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT