Sosialy

Antananarivo renivohitra Tsy azo atao intsony ny tsenabe isan-kerinandro


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Tampoka tamin’ireo mpivarotra isaky ny tsenan’Alarobia etsy Andravoahangy ny fandrarana tsy hamelatra entana nataon’ny CUA azy ireo omaly.

 

Tsy azo hatao intsony aloha ny manenjika tsena isan-kerinandro eto an-drenivohitra noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus. Ny teo anivon’ny prefektiora sy ny kaominina Antananarivo renivohitra no namoaka izany fepetra izany ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Tsena maromaro no voakasika araka izany toy ny tsena eny Andravoahany, Ambodin’Isotry, Coum 67 Ha, Mahamasina, Ambohimanarina, Analakely .Nanamafy izany ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Mamy Rajhonson, moa dia tafiditra ao anatin’ny baikon’ny filoham-pirenena ny amin’ny tsy tokony mbola hisiana tsenabe eto an-drenivohitra izy io ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Voarara ihany koa, araka izany, ho amin’ity anio ity ny tsenan’Alakamisy etsy Mahamasina mba hisorohana ilay fitangoroana sy fivangongoan'olona. Miandry izay fanapahan-kevitra aorian’ny kabarin’ny filoham-pirenena ny alahady izao indray no mety hisiana fepetra vaovao ho an’ireo mpivarotra, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija sy Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT