Sosialy

Antananarivo Renivohitra Tanàn-dehibe maloto indrindra aty Afrika


  • Talata 14 Jona 2022

Voasokajy ho tanàn-dehibe voalohany maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo, ary fahatelo maneran-tany, araka ny fanasokajiana mivoaka amin’izao fotoana izao. Mitana ny laharana faharoa aty Afrika

kosa i Addis-Abeba Renivohitr’i Ethiopie, raha toa ka faha 6 no misy azy maneran-tany, i Brazzaville Renivohitr’i Congo kosa ny fahatelo, ary faha-10 izy maneran-tany. Ireo telo voalohany maneran-tany amin’ny loto, dia i Baku any Azerbaidjan, Dhaka any Bangladesh, ary Antananarivo Renivohitr’i Gasikara. Midika io fa tena ratsy tantana sy voretra tanteraka ny Renivohitr’i Madagasikara. Tsy finiavana hitsikera na hitanisa ny zava-dratsy na hanaratsy hatrany ny firenena, fa tsy maintsy lazaina ny zava-misy mba ho fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny vahoaka amin’ny andraikitra tandrify azy avy. Raha hampifandraisina amin’ny politika, isan’ny natao fitaovana nanenjehana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny resaka loto teto Antananarivo. Niniana natao fahirano Antananarivo ka tsy nomena ny vola tokony fanampiana efa voafaritra fa tokony ho azony noho ny sata manokana ananany, natao izay hahasahirana ny mpitantana nahafahana nanenjika azy. Natao avy eo tetikady rehetra hahalany ny kandidan’ny fitondrana ka nametrahana an’Atoa Naina Andriantsitohaina ho ben’ny tanàna taorian’izay. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mihitsy no nitanisa ireo lesoka toy ny toerana maimbo eo Analakely 24ora nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny novambra 2019. Nolazaina fa hahazo 11 miliara Ar isan-taona Antananarivo. Novoizina tamin’izany fotoana izany moa fa hoe: hafa ihany ary mety kokoa raha olona mitovo loko sy fianankaviana politika amin’ny Fanjakana foibe no fidiana ho ben’ny tanàna. Telo taona aty aoriana isika fa moa tena nanova ny zava-misy ve ny fitoviana loko politika? Mbola holazaina fa ny coronavirus sy ny ady any Ukraine no mampikorontana sy maha tototry ny loto eto Antananarivo? Na izany na tsy izany, manana andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana ihany koa ny mponina eo anatrehan’ny zava-misy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT