Toe-javatra mateti-piseho eny anivon’ny fiaraha-monina ny fanaovana fety izay matetika hisiana kotaba amin’ny endriny maro, zava-maneno tsy hifankahitana, savorovoro, fimamoana,…
izay tsy an-kifidy intsony na andro na alina. Matetika no miteraka fahasorenana ho an’ny mpiara-belona satria tsy misy fifanajana intsony. Raha ny lojika, ilàna fahazoan-dàlana eny amin’ny fokontany izy ireny ka tena mbola voahaja ve izany amin’izao fotoana izao? Maro ny fokontany tena lasa kotababe eto Antananarivo Renivohitra, ary saika ahitana izany ny ankamaroan’ireo boriborintany enina. Na an-kafaliana noho ny fisiana fety dia matetika no tsy hifankahitana ny fisotroan-toaka misy hatramin’ny fifohana rongony, indraindray mivadika ady. Mety lojika ihany ny fisian’ny toe-javatra izany noho ny hafaliana. Na amin’ny ankaratsiana aza anefa, tsikaritra ho miseho hatrany ihany koa ny sasantsasany amin’ireo, toy ny kotaba, fifamoana,… Asa hoe izany ve no manamaivana ilay fahoriana? Ny mpanao fety moa dia tena tsy miraharaha ny manodidina azy intsony, tsy mba misy fiheverana ny hafa mihitsy ary mampametra-panontaniana hoe: moa nahazo fahazoan-dalana ve ary mazava amin’izy ireny ve ny lalàna sy ny fepetra? Tsy manohitra ny fanaovana fety velively, fa lojika ny tokony ho ao anaty trano na toerana amifefy tsara fa tsy manao izay tiany amin’ny toerana rehetra mety aminy ihany koa. Adihevitra sy niteraka resabe teto herintaona lasa tahaka izao ny fitsipika momba ny Fikoloana ara-pahasalamana sy ara-pidiovana na “CMH”, izay isan’ny mamaritra ny fepetra tokony harahina mba hirindran’ny fiainam-piarahamonina eto Iarivo. Mila hamafisina ny fampiharana izay hita fa mety ny fampiharana azy amin’ny ara-drariny satria toa miha goragora hatrany ny fifanajana ara-piarahamonina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.