Olona efatra maty nianjeran’ny rindrim-bato teny amin’ny faritra Ambohidrapeto, Itaosy nandritra ny fety, raha ny tatitry ny polisim-pirenena raha ny tatitry ny polisim-pirenena tamin’ny mpanao gazety omaly , teny amin’ny efitrano fiasan’ireo mpitandro filaminana Anosy.
Faty roa kosa no hitan’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny 31 desambra sy ny voalohan’ny taona. Ny iray tao Sabotsy Namehana izay hita faty tao andavadranon’Ambohitrinimanga. Ny iray hafa kosa efa mananika ny 63 taona izay matin’ny fanintona tao an-tranony. Nanjaka koa ny sinto-mahery. 22 ireo jiolahy mpanendaka no tratra tamin’ireo endrika sinto-mahery 6 nitranga teto an-drenivohitra. Nahatratra 63 ireo voasambotra noho ireo karazana halatra 25 niseho teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ka ny 25 tamin’ireo no navotsotra taorian’ny famotorana sy ny fandihadiana. Roa tamin’ireo no voarohirohy tamina halatra môtô, 2 koa ny vaky trano ary iray tratra teo am-piomanana hanaovany ny asa ratsiny.
Loza 8 nandratrana olona
Nahatratra 11 kosa ny lozam-pifamoivoizana nitranga ka ny 3 izay nentina mpamily mamo ihany no fahasimbana fiara fotsiny fa ny loza 8 kosa dia nandratrana olona avokoa. Entana maro tamin’ny toeram-pivarotana telo kosa no kila forehitra teo amin’ny “pavillon” laharana faha 15 sy 16 ary 17 teo Anosibe Tsena. Voefehy nandritra ny 10 mn ny afo, raha ts’izany potika tanteraka ireo toeram-pivarotana maro eny an-toerana.
Haja Nirina sy J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.