Sosialy

Antananarivo Renivohitra Raikitra ny fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Natomboka omaly talata 17 jolay 2018 ny hetsika lehibe izay fanalana sy fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina,

notanterahin’ireo ekipan’ny Boriboritany Voalohany Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny « intendance » avy ao amin’ny Lapan’ny tanàna ary ireo Polisy Monisipaly. Ny fiparitahan’ny loto sy ny fako izay ataon’ireo mpivarotra tsy manara-dalàna no anton’ny fandraisana andraikitra. Feno mpivarotra ihany koa ny « trottoir », lasa milatsaka anaty arabe ireo mpandeha an-tongotra ka manjary manelingelina ny fifamoivoizan’ny fiara. Talohan’ny nirosoana tamin’izao hetsika izao dia efa nisy ny fampahafantarana sy fampitandremana izay nataon’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy zoviana amin’ireo mpivarotra araka izany izao hetsika ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izao. Mbola hitohy sy hihamafy hatrany ny hetsika fanalàna mpivarotra tsy ara-dalàna toy izao ho fanadiovana sy fandaminana ny renivohitra. Nisy ihany koa ny fanadiovana faobe teny amin’ny Faritra Antohomadinika sy ny manodidina. Efa fanao isaky ny talata ny toy izao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT