Antananarivo Renivohitra

Raikitra indray famindrana


  • Alarobia 08 Aprily 2026

ireo tsy manan-kialofana

Nirotsaka an-tsehatra tamin'ny famindrana sy nanampy ireo tsy manan-kialofana mipetraka eny amin'ny lalambe eto an-drenivohitra ny ekipan' ny Kaominina Antananarivo. Navoitra fa tsy tokony hisy olona hatory an-dalambe eto Antananarivo. Nambara fa efa misy ny Akany Iarivo Mivory (AIM/ CUA ) afaka handraisana azy ireo, ary ireo toerana iarahana amin'ny Ministeran'ny Mponina. Tanjona amin' ity hetsika ity ny handraisana sy hanohanana ireo olona marefo ary mba hananana tanàna madio milamina. Ny volana aprily 2025 izay nandraisana ny Fivoriamben'ny COI teto Antananarivo no efa nilaza ny CUA fony Rtoa Harilala Ramanantsoa ben'ny tanàna, fa hisy toerana hatokana ho an'ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo. Hatsangana tsy ho ela izany, hahafahana mandray azy ireo, ary hasiana jiro sy toera-pidiovana mba hitandroana ny fahadiovana. ''Tsy natao hipetrahana mandrakizay anefa izany fa mandra-piharin'izy ireo'', hoy ny ben'ny tanàna tamin'izany. Nambara fa nvondrona amina toerana iray ireo tsy manan-kialofana miisa 15 000 voaisan'ny kaominina, ka nilazana tamin'izany fa azo atao ny mijery manokana ireny ankizy ireny, raha tsy jerena dieny izao izy ireny dia ho lasa feno olona tena monina ny mipetraka amina toerana iray izay tsy natokana ho amin'izany ny tanàna',.... Tamin'izany no efa nanamafisana fa misy hatrany ny fanentanana azy ireo, ary misy koa ny ''accompagnement'' mba hialan'izy ireo amin'ny fahazaran-dratsy, hahafahana mitazona ny fahadiovan'ny tanàna. Herintaona aty aoriana, mifoha indray ilay resaka. Inona no tsy nampahomby ilay teo aloha sa ny eo hesorina dia ny eo tonga ihany ? Taratra maneho fa mitombo hatrany ireo mahantra tsy manan-kialofana ? Tsy ahitana paikady ara-toekarena sy ara-tsosialy mahakasika ny Firenena manontolo mahomby kokoa ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Fisorohana ny fidangan'ny vidim-piainana
  • Talata 07 Aprily 2026

Noferan'ny Fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT