Antananarivo Renivohitra

Niakatra hatrany amin’ny 10% ny hofan-trano


  • Zoma 05 Janoary 2024

Miakatra hatrany ny hofantrano isan-taona indrindra fa amin’izao fiandohan’ny

taona vaovao izao ho antsika eto an-drenivohitra. Manodidina ny 10% izany fiakarany izany raha araka ny fantatra ka 100.000 Ar no mora indrindra. Tsy misy afa-tsy efitranokely iray, misy jiro fa tsy misy rano ary trano fivoahana sy fidiovana izany. Lasa mitady hofantrano mora avokoa ny ankamaroan’ny olona noho izany. Raha nisy tamin’ireo tokantrano Malagasy no mbola mahavita nandoa hofantrano hatrany amin’ny 400.000 Ar teo aloha dia lasa mitady hofantrano 200.000 Ar ankehitriny. Ireo mpitady trano mora indray no betsaka amin’izao noho izany noho ireo mpividy tany. Tsy misy afa-tsy karana sy Sinoa mantsy sisa no manam-bola hividianana tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana : Midangana ny hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT