Sosialy

Antananarivo renivohitra Niakatra 30% ny hofantrano


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Niakatra hatrany amin’ny 30% ny hofatrano eto an-drenivohitra nanomboka tamin’ity taona 2022 ity. Vao nigadona ny taona vaovao dia efa saika nandefa taratasy fampiomanana tany amin’ireo mpanofa tranony avokoa ny

 ankamaroan’ireo tompon-trano. Anton’izany ny fisondrotry ny vidim-piainana raha araka ny fanazavan’ny tompon-trano iray. Eo ihany ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana trano raha misy fahapotehana toy ny tafo izay efa mila tsy ho taka-bola intsony ankehitriny, ny loko, ny famadihana ny varavarana ho lasa vy izay tena tsy maintsy hirosoan’ny tompon-trano rehetra amin’izao noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana…. Na izany aza anefa dia velon-taraina mafy kosa ireo mpanofa trano. Tsy misy mantsy na dia 1 Ar aza ny fampiakarana karama tamin’ity taona ity nefa ny fandaniana tsy mitsaha-mitombo. Eo an-daniny anefa dia sarotra ihany koa ny mitady trano mora amin’izao fotoam-pahavaratra izao indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Marobe mantsy ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano ka hifampitadiavana ny trano fonenana.

Pati
Legende : Mihalafo hatrany ny hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT