Sosialy

Antananarivo Renivohitra Nahitana hain-trano 96 tao anatin’ny 8 volana


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Tena nirongatra ny hain-trano teto an-drenivohitra tamin’ity taona 2019 ity.

 

 

 

Nahatratra 96 isa mantsy, izany hoe 12 isam-bolana hatramin’ny volana janoary no ho mankaty ka tamin’ny volana aogositra lasa teo no betsaka indrindra, araka ny tatitry ny sampana mpamonjy voina. Nahatratra 18 tao anatin’ny iray volana. Olona iray no naratra vokatr’ireo ary efatra namoy ny ainy tao anatin’izay valo volana izay. Vao afak’omaly dia  trano fivarotan-kena miisa efatra no lasa lavenona teny Ivato,  tokony ho tamin’ny 10 ora sy 20 minitra atoandro. Na efa tara noho ny fitohanana aza ny sampana mpamonjy voina dia voaaro soa aman-tsara tsy nisy nahiana ny manodidina sady tsy niitatra ihany koa ny afo. Andrin-jiro iray ihany koa mbola tamin’io andro io ihany no nirehitra teny Anosizato Atsinanana. Tonga ihany koa ny sampana mpamonjy voina saingy tsy maintsy nantsoina namono ny herinaratra ny JIRAMA izay vao novonjena ilay trano nanodidina ilay andrin-jiro. Toerana maro no niaina delestazy  saingy tamin’io alatsinainy alina io ihany dia tafaverina soa aman-tsara ny jiro. Miantso ny rehetra ho mailo ny sampana mpamonjy voina amin’izao fotoanan’ny hafanana sy ny rivotra izao, indrindra fa ireo manana ankizy mipetraka irery matetika ao an-trano.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT