Antananarivo renivohitra

Mitombo isan'andro ireo mitsoaka hofan-trano


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Mitombo isa isan’andro ireo olona mifindra trano eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Nanomboka ny fahadimin’ny volana Janoary teo ka hatramin’ny omaly Alahady 14 Janoary dia efa tafakatra 20 isa ireo olona mitsoaka hofantranon’olona tao amina Fokontany iray eny Atsimondrano eny. Raha araka ny fanadihadiana natao dia manomboka amin’io daty io ny fandoavana hofantranon’olona ao anatin’ny volana iray hitsahina. Betsaka anefa ireo tsy nahaefa izany intsony taorian’ny nankalazana ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao hany ka lasa manaotao foana. Misy ireo mody mivoaka amin’ny atoandro ary mitaona izay zakany. Mitohy hatramin’ny andro alina izany, indrindra fa ireo mipetraka amin’ny trano ambany rihina. Betsaka ireo tompon-trano tonga mitaraina eny anivon’ny Fokontany noho izany. Misy indray ireo mangata-tsodrano mba hifindra mihitsy ary mametraka ny entana izay sahaza ny hofantrano tsy voalohany. Tsy lazaina intsony ireo mpivady manao vazaha mody miady ka lasa ny iray ary lasa ihany koa ny iray avy eo ka ny kidoro natoriany sisa no avelany eo….Noho ny fahasahiranana avokoa no nambaran’ny sefom-pokontany iray fa anton’izany. Tsiahivina hatrany moa fa raha nandoa hofantrano 100.000 Ar ny mpanofa trano iray teo aloha dia lasa mitady hofantranona 50.000 Ar izy ireny amin’izao hampihenana ny vola mivoaka ao an-tokantrano.
Pati
Legende : Misy hatrany ny mifindra trano tahaka izao raha vao tonga ny fiandohan’ny volana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT